mahia

Avy amin'i Wikibolana — Rakibolana malagasy malalaka
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

Malagasy[Ovay]

Origine et histoire de « mahia » Etimolojia

Open book 01.svg Mpamaritra

mahia AAI : maʔiạ

(Sary)

⋅ (sokajin-drima ‑aʔiḁ)

  1. (hia) p.t.: Tsy mahazo nofo, manify kely, tsy mba nofosana: Mchia er? Rakoto hatramin'ny naharariany farany tao. • Tsy matavy, tsy misy taviny na menaka: Mahia ny hena novidinao.
  2. M.h.: Kaozatra, kaozatina, kangoaza, tsy velon-komana, tsingoahina, raiki-tapisaka, rangkangy, mandràka, kaoka, miripika, mirepika, maranitaolana, taolantaolanina, ranga, nipoaka (olona natavy ka nihanahia), mitrskitraky, mitranitrany, mitrikatrika, be rangomaina, kinaoly, sakohaza, ohatra ny takatra, ohatra ny sorohitra, ohatra ny horona, kanty velona. - F.-p.: Mahia miarana: entimilaza olona manaram-po amin'ny zavatra tiany nefa tsy mahazo nofo fa mahia la-va ihany.
  3. Mahia tsy marary: enti-milaza olona mahia tsy noho ny aretina, fa efa vahany rahateo.
  4. Ilay mahia miankin-drindrina: Ankamantatra ilazana ny sahafa.
    • (Ohabolana) Ny omby mahia tsy lelafin'ny namany: enti-milaza fa andosiran'ny namany ny mahia, ny tsy manana, ny oriory, fa ifanotofana kosa ny manana, ny matavy.
  5. Ny mahia zokin'antitra: enti-milaza fa ratsy noho ny fahanterana ny fahiazana sabla heverin'ny olona ho be taon ny mahia mitrakitraky taolana, na dia zandrin'ny matavy mandimandina aza.
  6. Omby mahia be tandroka ka mitondra ny tsy eran'ny aina: ilazana ny tsy maintsy hanaovana ny adidy na dia sarotra aza. j Akondro mahia misy masaka ka saro-dazaina amin-kavana: enti-milaza zavatra tsy dia tsaratsaraloatra ka mahasanganehana ny milaza azy amin'ny havana na ny sakaiza.

Wiki puzzle.svg Anagrama

Dikan-teny

  1. afrikaans : karig
  2. alemaina : dünn
  3. anglisy : dun
  4. anglisy : lean
  5. anglisy : thin
  6. arabo : رفيع
  7. danisy : mager
  8. eoskara : argal
  9. espaniôla : delgado
  10. esperanto : maldika
  11. feroianina : fátækur
  12. grika : λιγνός
  13. ido : magra
  14. indonezianina : kerempeng
  15. inoktitoty : ᓴᓗᒃᑐᖅ
  16. italiana : magro
  17. italianina : magro
  18. katalana : flac
  19. latina : subtilis
  20. nerlandey : dun
  21. norvejiana : mager
  22. poloney : oprzeć się
  23. portogey : apoiar-se
  24. romainina : secătuit
  25. rosy : тощий
  26. soedoa : mager
  27. tiorka : yaslanmak
  28. tseka : bezmasý

{{}} :