Dinika amin'ny Wiktionary:Dinika

Avy amin'i Wikibolana — Rakibolana malagasy malalaka
Aller à la navigation Aller à la recherche

Tahiry: 1


Momba ny dikan-teny amin'ny teny iditra amin'ny teny malagasy[Ovay]

Rehefa atsy ho atsy dia ho esoriko aloha ny fizarana momba ny dikan-teny amin'ny teny vahiny amin'ny teny iditra amin'ny teny malagasy. Ny antony dia izao: tamin'ny nametrahana izy ireo dia misy maro an'isa amin'izy ireo no diso noho ny teknika mbola tsy matotra tsara tamin'izany fotoana izany. Efa mba nihatsara kokoa ny teknika amin'izao fotoana izao, ka mihevitra aho hoe tsara atao ny mamafa ireo fizarana ireo aloha mba tsy hanolotra torohay diso be dia be loatra amin'izay mpitsidika eto. Sady anisan'ny sosokevitra nisongadina tamin'ny resadresaka nahatonga ny famafana ambongadiny teto ihany izy io.

Vokatr'izany, dia ho esorina ny teny rehetrarehetra izay voamarika ho dikan-teny ao amin'ny fizarana {{-dika-}}. Tokony miray sokajy avokoa izy ireo, ka mora kely ny mikendry ary manaisotra ny votoatiny tadiavina. Tsotra hoatr'izay ihany koa ny mamerina azy ary manisy torohay marim-pototra kokoa. —Jagwar • grrrr... / homewiki 9 Janoary 2023 à 22:35 (UTC)Répondre[répondre]

Tapitra tamin'ny 14-15 Janoary farany teo ny asa fandiovana ny fizarana "dika", izay nofenoina nandritry ny taona maro tamin'ny alalan'ny algoritma famoronana lahatsoratra nampiasaina tamin'ny versiona talohan'i Bot-Jagwar. Hofenoina indray izy ireo rehefa amin'ny fotoana ho avy tsy fantatra hoe oviana, fa tsara nesorina ihany izy ireny noho ny lesoka isan-karazany nisy tamin'ny algoritma taloha. —Jagwar • grrrr... / homewiki 16 Janoary 2023 à 22:55 (UTC)Répondre[répondre]

Teny frantsay[Ovay]

Miarahaba antsika rehetra izay tonga mitsidika eto.

Eo am-panomanana lisitra voambolana frantsay aho izao. Hitako mantsy fa betsaka ny teny frantsay tsy voafaritra intsony eto noho ny famafana ambongadiny natao tamin'ny faran'ny taona 2020. Tsy haiko diso tamin'ireo teny iditra ireo, fa afaka mamerina azy eto aho raha tsy olana ny manao izany. tenymalagasy.org sy ny rakibolana frantsay Larousse ary koa indrindra indrindra ny Wiktionnaire frantsay no loharano ampiasaina. Soavolana (resaka) 25 Janoary 2023 à 13:03 (UTC)Répondre[répondre]